|
|
|
|||
|
Fitaizana azy Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao. Misaotra tompoko
Ao izahay no mitsabo sy manaramaso ny alikanay
|
Fisaorana ho an'i Bigboer izay nanoratra sy nitondra ny ankabeazan'ny sary mikasika ny boerboel eto amin'ity pejy natokana ho an'io karazana alika io.
NY TOETRANY Malaza tsy tia miray monina amina alika hafa ny boerboel, kanefa ilaina ny manazatra azy amin段zany dieny mbola kely izy ka ho afaka ho azy izay toetrany izay rehefa lehibe izy. Mahay miaro ny tanana sy ny tompony nefa tsy masiaka ny boerboel, izay moa no nilain地y boers azy fahiny ka tavela anatin地y r瀟y izany.Tena mora taizana izy, ary tia miara-miaina amin'ny olombelona Ny lahy dia tia mamaritra ny faritra fonenany, ary ny vavy kosa dia mailo sy malina kokoa, ka mahefa kokoa amin地y resaka fiambenana. Namana tsy mivadika ary tsy miahotra refa ilaina izany. Na dia otran地y alika mavezatra aza ny fahitana azy dia afaka mandeha aingana tokoa ny boerboel. Be fitiavana, mahatokitena ary tsy kanosa velively ny Boerboel, somary tia tia manindry izy ary izay hitaiza azy koa dia mila mahay manindry tsara azy, tsy amin'ny fahasiahana akory fa amin'ny teny hentitra nefa malefaka. Rehefa tena voataiza tsara ny Boerboel dia mora mahay ny toetranao sy ny fomba fiainanao, fantany avy hatrany izay tsapan'ny tompony raha misy tranga iray: hafaliana, fahoriana, tahotra, fahasahiana, hatezerana sns... Tsy masiaka amin'ny vahiny ny Boerboel raha efa nampahafantarina azy ilay vahiny, tsapany avy hatrany kosa raha tsy azoazon'ilay tompony ilay vahiny! Tena tia miambina sy miaro ary tena mahafoy hatramin'ny ainy mihintsy aza ny Boerboel ho fiarovany ny ao an-trano, na zazakely io na olon-dehibe, ary rehefa tsy misy olona ao an-trano dia tsy hamela na iza na iza hiditra ao mihintsy izy raha tsy olona efa zatrabe azy! Tamin'ny andron'ireo Boers, dia ny Boerboel no alefa mankany antsaha miara-miandry osy amin'ny ankizy, ka sady miaro azy ireo no asany tamin'izany no mandeha mihaza, ka mitondra biby izay entiny eny amin'ny ankizy, dia ireo indray no mahandro sy mizara izany ho an'ireo ankizy niandry osy ary ilay boerboel
|
| ||