XENA & TEE

                                             Ny Alikanay sy ny tontolony

              Tel 034.01.117.99 / 032.45.332.90 / 033.14.239.46 / 033.02.622.81

                                                Ampatsakana / Itaosy

                                             Antananarivo Madagascar

                                                  xena.amstaff@yahoo.com

                                      

 

                 

               

Ny alika

Ny Boerboel

Firafiny

Toetrany

Fitaizana

Fahasalamana sy sakafo

Fitandremana tokony atao

Ny amstaff

Ny Dogue allemand

FORUM


Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany

Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao.

Misaotra tompoko

 

 

 Ao izahay no mitsabo sy manaramaso ny alikanay 

 

Fisaorana ho an'i Bigboer izay nanoratra sy nitondra ny ankabeazan'ny sary mikasika ny boerboel eto amin'ity pejy natokana ho an'io karazana alika io.,

NY FIRAFINY

Tahak'izao ny bikan'ny boerboel raha atao indray mijery

Alika tena anisan'ny goavana sy matanjaka ny boerboel, na ara-batana na ara haavo, tsy tokony ho latsaky ny 64cm au garrot ny lahy ary tsy misy fetrany ny haavo na dia eo ho eo amin'ny 70cm eo aza amin'ny ankapobeny ary 59cm au garrot kosa ny vavy, ary tsy misy fetrany koa na dia eo ho eo amin'ny 64cm eo ho eo aza amin'ny ankapobeany. Manaitra avy hatrany ny lohany satria dia sady lehibe no mivelatra, mainty ny orony ary tsy tokony hirefy 8-10cm avy eo amin'ny tendron'orony hatreo amin'ny elanelan'ny masony (mifanitsy eo amin'ny fiatombohany), Tsy tokony hiloko manga na gris kosa ny masony. Raha ny lokony dia misy ny: nuance de fauve ou rouge, bringé, miaraka amina masque noir, ny loko fotsy eo amin’ny tratrany sy ny faritra ambany amin’ny tongony dia ekena. Amin'ny ankapobeany dia mifanentana amin'ny habehany ny firafitry ny ratsambatany sy ny halavan'ny vatany, toy io amin'ny sary io, fa tsy hoe hahatsikaritra tongotra lava na fohy loatra, na vatana lava na fohy loatra na koa loha lehibe loatra na kely loatra raha oharina amin'ny vatany izay mijery. Feno tsara ny takolany ka tsy tokny hanana vava somary maranitra. Ny tongotra (pattes) eo anoloana dia tokony ho lehibe nohon'ny tongotra (pattes) aoriana 

                                                                                          

         Ny sofiny                       Ny faritry ny orony sy ny masony                Ny bikan'ny vavany

 

Mifaritra tsara ny hozany eo amin'ny sandriny sy ny feny izay tena mampiseho tanjaka avy hatrany, manao forme “tonneau”, mahintsy ary mivelatra manamarika ireo hozatrany, torak’izany koa ny tratrany (indrindra eo amin’ny lahy). Misongadina kokoa anefa ny hozatry ny lahy raha oharina amin'ny vavy, miakatra ambony ny rambony rehefa mandeha, saingy ny fanapahana ny rambony dia ekena ary hamporisihin'ny SABT, HBSA ary ny EBBSA mihintsy aza

Anisan'ny alika tsy mora marary ny boerboel ary tena mahavita dia an-tongotra lavitra be mihintsy (mahatratra hatramin'ny 5.000 km tsy ankiato)

Tsy ekena kosa ny boerboel fohy kely (latsaky ny 60cm ny vavy ary 65cm ny lahy izany aza efa kely!), toy izany koa ny lava na matsoko vava na koa fohy loatra. (ireo moa tsy hita raha tsy feno herintaona izy) ary koa ny maso mangamanga.

Raha ny lokony dia misy ny: nuance de fauve ou rouge, sable, bringé, miaraka amina masque noir, ny loko fotsy eo amin’ny tratrany sy ny faritra ambany amin’ny tongony dia ekena

                

                        Bringé                                                Sable - (Sumo)

Misy koa ny Boeboel mainty saingy tsy dia betsaka ary mbola hiadian'ireo mpametra ny standard hevitra ny hampidirana azy ireny ao anatin'ny fenitry ny boerboel. Izy ireny dia mety mivoaka ao anaty portées iray, raha mety nisy boerboel mainty tany amin'ny razambeny tany. Tsy voatery isaky ny portée akory fa mety mihintsy aza hoe any amin'ny zafiafiny any mihintsy!

                                        

 

Eto manoratra ho anay