|
|
|
| ||
|
Fitaizana azy Anaran'alika (lien) Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao. Misaotra tompoko
Ao izahay no mitsabo sy manaramaso ny alikanay
|
Fisaorana ho an'i Bigboer izay nanoratra sy nitondra ny ankabeazan'ny sary mikasika ny boerboel eto amin'ity pejy natokana ho an'io karazana alika io.,
NY TANTARAN'NY BOERBOEL Ny Boerboel dia anisan'ny alika efa nisy hatramin'ny elabe na dia tsy nantsoina hoe boerboel aza izy tamin'izany.Ny fikarohana momban'ny Boerboel dia nahalalana fa hay efa nisy tamin'ny andron'ny Herodotus, Tibet, ny Asyrie sy Babylon, ary na dia ny bikany ankehitriny aza dia mitovy amin'ny alika Asyriana. Anisan'ny alika nentina niady izy ireny, toy ny Matin de Naples ary dia nampanaovina fanamiana mihintsy aza! Rehefa nanafika an'i Egypte i Assurbanipal dia nitondra io karazan'alika io izay lasa niparitaka taty Afrika taty aoriana, ary tany Ethiopie no nisy azy voalohany ary nampiasain'ireo mpifindra monina afrikana ho toy ny mpihaza sy mpiaro. Nanana 156 tamin'io karazana alika io koa i Alexandre le Grand tany amin'ny 326 talohan'i Kristy, ary niompy sy nampanaraka azy ireo ka nozarainy roa, ny iray dia ireo lasa karazana antsoina hoe Mastiff, izay nentiny nihaza sy nialany voly tamin'ny fampiadiana azy tamin'ny liona sy elefanta, ary saika nianga avy amin'io avokoa ny ankabetsahan'ny mastiff taty aoriana. Ny faharoa kosa dia ilay antsoina hoe hound izay natao ho mpihaza.
Sarin'alika hita tamin'ny fouille archeologique tany Asyrie Taty aoriana dia tonga tao Afrika Atsimo ilay mpanjanaka hollandais nantsoina hoe Jan Van Riebeck tamin’ny taona 1652 dia nitondra io karazana alika io avy any Europe izay atao hoe Brabanter Bullenbijter (razambe izay iarahany amin’ny bullmastiff sy karazana molosses hafa koa), ka nampanarahiny tamin’ny alika izay hita teny an toerana, izany hoe ireo alikaben'ireo Afrikana mpifindra monina, taranak'ireo nentin'i Assurbanipal, ka tonga hatrany Afrika Atsimo, sy alikabe nentin'ireo mpanjanaka hafa.
Karazana alika mpihaza hita teny amin'ny Greenmarket Square (Afrika Atsimo), ilay karazana mpihaza,ary bika nihatomboan'ny Boerboel standard'ny Afrikan Tatsimo (sary nataon'i Johannes Rach tamin'ny 1764) Alika natao hiambina ny fiompian’ny boers (taranak’ireo hollandais mpanjanaka) no tena nilainana io alika io, niaro amin’ny mpangalatra sy ny biby dia toy ny “liona”. Ary ireo Boers samy Boers ihany no mampifanaraka ny azy rehefa samy alikabe ary samy mahay miambina fotsiny. Teraka ho azy teny standard-ny taty aoriana ary nantsoin'ny tompontany hoe ''alikaben'ny mpanjanaka'' na hoe “boerboel” ny anarany satria “boers” izany no niantsoina ny mpiompy ary ny hoe “boel” dia midika hoe “alika be”, ary tsy misy ifandraisany amin’ny hoe “bull” (taureau) izay hita amin’ny bullterrier na bulldog.
Boerboel'i Jakkalskop - Boers tamin'ny taona 1920 Tsy nety tamin'ireo Boers mihintsy ny nanana alika farofy sy kely aina nohon'ny tahotr'izy ireo ny bibidia sy ireo tompotany tsy tia ireo vahiny, kanefa ny asa sy ny fifindramonina koa dia nitaky hery be, ka dia ireo alika tena natanjaka ihany no notazominy sy nampanarahany Lasa alika miandry fiompiana tsotra izy io tao Afrika atsimo ka tsy dia nisy niraharaha raha tsy tamin’ny taona 1960, izay nanombohana ny fiompiana azy ka nanoratana ny hoe tokony ho fenitra maha boerboel an’ilay alika, tamina boky nataony hoe “stamboek” (livre d’origine).Ny standard kosa dia napetraka tamin'ny 1980, izay nampivoriana mpikambana miisa 900, ny 250 ihany nanakaiky ny standard noheritreretina raha natao tomba-maso. 72 tamin'ireo kosa no tena nahafeno ny fepetra rehetran'ny boerboel amin'izao fotoana izao!Anisan'ny Boerboel tena nalaza tamin'ireo voalohany ireo i Rhabe Tia-Tia, Rustverwacht Koera sy Spogter, Flenters. Hofni Wagter ary Hofni Ounooi Ny boerboel dia tsy tafiditra ao amin’ny FCI (Federation Cynologique International), fa any Afrika atsimo kosa dia misy fikambanana 3 miahy ny boerboel: - ny SABT (Suid-Afrikaanse Boerboeltelersvereniging) izay afaka adika hoe Fikambanan’ny mpiompy Boerboel ao Afrika Atsimo - ny HBSA (Historical Boerboel Association of Southern Africa) - ny E.B.B.A.S.A (Elite Boerboel Breeders Association of South Africa)
|
| ||